Judges 15:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha ny lehilahy telo arivo tamin’i Joda nankany amin’ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka niteny tamin’i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka amintsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: Araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nidina ny lehilahy telo arivo tamin’i Jodà nankany amin’ilay zohy amin’ny vatolampin’i Etama ka nanao tamin’i Samsôna hoe: «Tsy fantatrao va fa mpanapaka antsika ny Filistinina, ka ahoana no dia nanaovanao toy izao aminay?» Ary hoy ny navaliny azy ireo: «Toraky ny nataony tamiko ihany no nataoko taminy kosa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandeha nankany amin’ny tsefatsefak’ilay harambato tao Hetama ny vatan-dehilahy andiany telo tamin’ny fokon’i Joda ka niteny tamin’i Samsôna hoe: –Moa tsy fantatrao ve fa ny Filistinina no manjaka amintsika? Koa inona izao nataonao taminay izao? Dia novaliany hoe: –Araka izay nataony tamiko no nataoko taminy.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin'ny Joda nankany amin'ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin'i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha ny lehilahy telo arivo tamin’i Joda nankany amin’ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka niteny tamin’i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka amintsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: Araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
malagasy