Judges 15:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niteny taminy izy ireo hoe: Tsia! Fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tanany; tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ny mahazaka roa vaovao ireo ka nitondra azy niala tamin’ilay harambato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia namaly azy izy nanao hoe: «Tsia, fa ny hamatotra anao sy ny hanolotra anao eo an-tanan’izy ireo ihany no tadiavinay, fa tsy hamono anao izahay.» Dia nafatony tamin’ny mahazaka roa vaovao izy, nentiny hiakatra avy teo amin’ilay vatolampy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namaly azy indray ireo hoe: –Tsy manam-pikasana hamono anao izahay fa ny hamatotra anao fotsiny mba hatolotray ny Filistinina. Dia nafatotr’ireo tamin’ny mahazaka roa vaovao i Samsôna ary nentiny niala tao an-dava-bato.
Malagasy Bible 1865
Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin'ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin'ilay harambato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niteny taminy izy ireo hoe: Tsia! Fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tanany; tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ny mahazaka roa vaovao ireo ka nitondra azy niala tamin’ilay harambato.
malagasy