Judges 15:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga tany Lehy izy dia nanakora azy ny Filistina. Dia tonga taminy ny Fanahin’NY TOMPO ka tonga tahaka ny kofehy rongony izay nodorana tamin’ny afo ny mahazaka teny amin’ny sandriny ary afaka tamin’ny tanany ny fatorana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga tany Lekia izy, dia notsenain’ny Filistinina tamim-panakorana. Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh kosa i Samsôna tamin’izay, ka ny mahazaka tamin’ny sandriny tonga toy ny kofehy rongony main’ny afo, ary ny fatorana tamin’ny tanany nivotsotra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony tonga tao Lehỳ izy, dia nitsena azy tamin’ny horakora-pandresena ny Filistinina. Tamin’izay kosa no nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka nivaha mora foana toy ny tady rongony main’ny afo ireo tady mahazaka namatorana ny sandriny sy ny tanany.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin'i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin'ny afo ny mahazaka teny amin'ny sandriny ary afaka tamin'ny tànany ny fatorana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga tany Lehy izy dia nanakora azy ny Filistina. Dia tonga taminy ny Fanahin’NY TOMPO ka tonga tahaka ny kofehy rongony izay nodorana tamin’ny afo ny mahazaka teny amin’ny sandriny ary afaka tamin’ny tanany ny fatorana.
malagasy