Judges 15:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nangetaheta be izy dia nitaraina tamin’NY TOMPO hoe: Ianao no nanome izao famonjena lehibe izao tamin’ny tanan’ny mpanomponao. Ankehitriny, moa ho fatin-ketaheta va aho ka hianjera ho eo an-tanan’ny tsy mifora?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary main’ny hetaheta i Samsôna, ka nitalaho tamin’i Iaveh nanao hoe: «Ianao no nanome izao famonjen-dehibe izao, tamin’ny tanan’ny mpanomponao, ary ankehitriny dia ho fatin’ny hetaheta va aho sy ho latsaka eo an-tanan’ny tsy mifora?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nahatsiaro nangetaheta mafy i Samsôna ka niantso vonjy tamin’ny TOMPO nanao hoe: –Ianao no nanome ahy izao fandresena lehibe izao; koa ankehitriny ve dia havelanao ho fatin-ketaheta aho, ka ho latsaka eo an-tanan’ireo tsy mifora ireo?
Malagasy Bible 1865
Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin'ny tanan'ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan'ny tsy mifora!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nangetaheta be izy dia nitaraina tamin’NY TOMPO hoe: Ianao no nanome izao famonjena lehibe izao tamin’ny tanan’ny mpanomponao. Ankehitriny, moa ho fatin-ketaheta va aho ka hianjera ho eo an-tanan’ny tsy mifora?
malagasy