Judges 15:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampitresahin’Andriamanitra ilay lavaka ao amin’ny vato tany Lehy ka niboiboika avy tao ny rano. Rehefa nisotro izy dia nody ny ainy ka velombelona indray izy. Izany no nanaovana ny anarany hoe Eny-Hakore, izay any Lehy mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nampitresahin’Andriamanitra kosa ilay vatolampy hoboka tao Lekia, dia niboiboika teo ny rano. Ary velombelona ny fanahiny, nody ny ainy. Izany no niantsoana io loharano io hoe En-Hakôre, izay mbola any Lekia mandraka androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia notresahin’Andriamanitra ny vatolampy holoka tao Lehỳ ka nampiboiboika rano; dia nisotro i Samsôna ka nody indray ny heriny. Izany loharano izany dia nantsoina hoe Haîna-Kôrà na loharanon’ilay niantso vonjy, ary mbola ao mandraka androany.
Malagasy Bible 1865
Dia nampitresahin'Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampitresahin’Andriamanitra ilay lavaka ao amin’ny vato tany Lehy ka niboiboika avy tao ny rano. Rehefa nisotro izy dia nody ny ainy ka velombelona indray izy. Izany no nanaovana ny anarany hoe Eny-Hakore, izay any Lehy mandraka androany.
malagasy
Dia nampitresahin'Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.[En-hakore = Loharanon'ilay niantso]Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin'ny andron'ny Filistina izy.