Judges 15:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa nandeha i Samsona ka nisambotra amboahaolo telonjato; dia naka zavatra hatao fanilo izy ary nampifanendreny tsiroaroa avy ny rambon’ny amboahaolo ka nofehezany fanilo iray teo anelanelan’ny rambony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia lasa i Samsôna nisambotra amboahaolo telon-jato sy naka fanilo. Nampifamatoriny ny rambon’ny amboahaolo, ka nasiany fanilo iray eo anelanelan’ny rambony roa, eo afovoany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary lasa i Samsôna nisambotra amboahaolo telonjato. Naka zavatra hatao tsolo koa izy, dia nafatony tsiroaroa ny rambon’ny amboahaolo, ary nafatony teo anelanelan’ny rambony ny tsolo iray.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon'ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan'ny rambony ilay hatao fanilo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa nandeha i Samsona ka nisambotra amboahaolo telonjato; dia naka zavatra hatao fanilo izy ary nampifanendreny tsiroaroa avy ny rambon’ny amboahaolo ka nofehezany fanilo iray teo anelanelan’ny rambony.
malagasy