Judges 15:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa narehiny ny fanilo dia nalefany ho any amin’ny varin’ny Filistina ireny ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary hatramin’ny voly oliva.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nampirehetiny ny fanilo, ary nalefany hankany amin’ny varin’ny Filistinina ny amboahaolo, ka nandoro ny vary efa amboarany sy mbola an-tahony ary hatramin’ny voly ôliva aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia narehiny ny tsolo ary nalefany ireo amboahaolo ireo hankeny amin’ny tanimbarin’ny Filistinina ka nandoro ireo amboara sy salohim-bary ary koa ireo voly voaloboka sy voly ôliva.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin'ny varin'ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa narehiny ny fanilo dia nalefany ho any amin’ny varin’ny Filistina ireny ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary hatramin’ny voly oliva.
malagasy
Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin'ny varin'ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.