Judges 16:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko. Ankehitriny, mba lazao amiko re izay hahazoana mamatotra anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Dalilà tamin’i Samsôna: «Namazivazy ahy sy nandainga tamiko izany ianao; koa ankehitriny mihanta aminao re aho, mba lazao kely izay tokony hamatorana anao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Delilà tamin’i Samsôna: –Indro namitaka ahy ianao sady nilaza lainga tamiko; koa mba atoroy ahy re ankehitriny izay fomba tokony hamatorana anao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Delila tamin'i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko; ankehitriny, masìna ianao, lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko. Ankehitriny, mba lazao amiko re izay hahazoana mamatotra anao.
malagasy
Ary hoy Delila tamin'i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko; ankehitriny, masìna ianao, lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao.