Judges 16:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naka mahazaka vaovao i Delila ka namatorany azy izany, dia hoy izy taminy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Tamin’izany dia efa nisy nanao vela-pandrika nitoetra tao amin’ny efitrano. Dia notapahin’i Samsona ho afaka tamin’ny sandriny ireny, tahaka ny fahatapahan’ireny kofehy tsy voafoly ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nalain’i Dalilà ny tady vaovao namatorana azy, dia hoy izy taminy: «Hirotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Ary efa misy olona manotrika ao an’efitranony. Ary notapahiny hoatran’ny fanapaka singan-kofehy ny tady tamin’ny sandriny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalain’i Delilà ny tady mahazaka vaovao ka namatorany azy, dia nihiaka mafy izy hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Efa nisy olona nafenin-dravehivavy indray manko tao an’efitrano. Kinanjo notapatapahin’i Samsôna hiala amin’ny sandriny ireo tady mahazaka ireo ka maito tahaka ny tady taretra.
Malagasy Bible 1865
Dia naka mahazaka vaovao Delila, ka namatorany azy, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Ary nisy mpanotrika nitoetra tao an'efi-trano. Dia notosan'i Samsona ho afaka amin'ny sandriny ireny tahaka ny fahamaiton'ny taretra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naka mahazaka vaovao i Delila ka namatorany azy izany, dia hoy izy taminy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Tamin’izany dia efa nisy nanao vela-pandrika nitoetra tao amin’ny efitrano. Dia notapahin’i Samsona ho afaka tamin’ny sandriny ireny, tahaka ny fahatapahan’ireny kofehy tsy voafoly ireny.
malagasy