Judges 16:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko. Lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy izy taminy: Raha randraninao miaraka amin’ny lamba voatenona ny randrana fito amin’ny lohako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Dalilà tamin’i Samsôna: «Mamazivazy ahy foana ianao hatramin’izao, ary lainga no nataonao tamiko. Fa izay tokony hamatorana anao no aoka hambaranao ahy.» Dia hoy izy taminy: «Izao ihany; tenomy hikambana amin’ny tenona ny foto-bolo fito amin’ny lohako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Delilà tamin’i Samsôna: –Mbola namitaka ahy ihany ianao sady nilaza lainga tamiko; mba atoroy ahy re izay fomba tokony hamatorana anao. Dia namaly azy izy hoe: –Raha tenominao hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito amin’ny volon-dohako ka aompanao amin’ny fandraotra, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Delila tamin'i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko; lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy kosa izy taminy: Raha tenomina hikambana amin'ny tenona ny foto-bolo fito amin'ny lohako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko. Lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy izy taminy: Raha randraninao miaraka amin’ny lamba voatenona ny randrana fito amin’ny lohako.
malagasy