Judges 16:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nofeheziny tamin’ny tsatòka izany, dia hoy izy taminy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka nohongotany ny tsatòka sy ny tenona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naompan-dravehivavy tamin’ny fàntaka ireny. Rehefa izany dia hoy izy taminy: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Taitra tamin’ny torimasony izy, dia nongotany ny fàntaka fanenomana ny tenona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampatorin’i Delilà i Samsôna ka notenominy hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito tamin’ny volon-dohany ary naompany tamin’ny fandraotra, dia nihiaka mafy ravehivavy hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsôna ka nongotany ny fandraotra sy ny rafi-panenomana ary ny tenan-tenona.
Malagasy Bible 1865
Ary notsatohany ny fantaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy, ka nangotany ny fantaka sy ny tenona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nofeheziny tamin’ny tsatòka izany, dia hoy izy taminy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka nohongotany ny tsatòka sy ny tenona.
malagasy
Ary notsatohany ny fantaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy, ka nangotany ny fantaka sy ny tenona.