Judges 16:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nilaza hoe: Tiako ianao, nefa ny fonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izao ary tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran’ny herinao lehibe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ravehivavy taminy: «Ahoana no dia anaovanao hoe: Tiako ianao, nefa ny fonao tsy amiko akory? Indro efa intelo ianao izao no namazivazy ahy ihany; fa mbola tsy nilaza tamiko izay itoeran’ny herinao lehibe»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Delilà taminy: –Ahoana no ilazanao fa tia ahy ianao, kanefa ianao tsy matoky ahy akory? Indro efa intelo izao ianao no namitaka ahy ka tsy mbola nampahalala ahy ihany izay iavian’ny herinao lehibe.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nanao hoe: Tiako ianao, nefa ny tonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izay, ka tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran'ny herinao lehibe.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nilaza hoe: Tiako ianao, nefa ny fonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izao ary tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran’ny herinao lehibe.
malagasy