Judges 16:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha aratana aho dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tonga tahaka ny olona rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nambarany taminy izay tao am-pony rehetra, ary hoy izy taminy: «Tsy mbola nodiavin-kareza ny lohako, na oviana na oviana, fa nazarean’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Fa raha haratana aho dia hiala amiko ny heriko, dia hanjary osa sy ho tahaka ny olona rehetra ihany aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nanambara tamin’i Delilà ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony izy ka nanao hoe: –Tsy mbola nokasihin-kareza mihitsy ny volon-dohako, fa natokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha tapahina ny volon-dohako, dia hanjary osa tahaka ny olon-tsotra rehetra aho.
Malagasy Bible 1865
Ary dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra, ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho; koa raha haratana aho, dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tahaka ny olona rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha aratana aho dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tonga tahaka ny olona rehetra.
malagasy