Judges 16:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra dia nandefa iraka haka ireo andrianan’ny Filistina izy, hilaza hoe: Miakara amin’izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao am-pony rehetra. Dia niakatra ho any aminy ireo andrianan’ny Filistina nitondra ny vola teny an-tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitan’i Dalilà fa noborahiny taminy ny tao am-pony rehetra, ka naniraka hiantso ny filohan’ny Filistinina izy, sy nampilaza tamin’izy ireo hoe: «Miakara amin’izao, fa efa noborahiny tamiko ny tao am-pony rehetra.» Dia niakatra ireo filohan’ny Filistinina, samy nanao an-tanany ny volany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Takatr’i Delilà tamin’izay fa nambaran’i Samsôna azy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony, koa nandefa iraka izy hiantso ireo mpanjaka filistinina sy hilaza aminy hoe: –Tongava amin’izay ianareo amin’ity indray mandeha ity, fa efa nambaran’i Samsôna ahy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony. Dia nankany amin’ilay vehivavy ireo mpanjaka filistinina ary nanome azy ny vola.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy nampaka ireo andrianan'ny Filistina nanao hoe: Miakara amin'izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao ampony rehetra. Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra ho any aminy nitondra ny vola teny an-tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitan’i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra dia nandefa iraka haka ireo andrianan’ny Filistina izy, hilaza hoe: Miakara amin’izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao am-pony rehetra. Dia niakatra ho any aminy ireo andrianan’ny Filistina nitondra ny vola teny an-tanany.
malagasy