Judges 16:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nampatory an’i Samsona teo an-dohaliny Ravehivavy dia niantso lehilahy izay nanaratra ny randrana fito tamin’ny lohany; dia nanomboka nampietry azy izy satria niala taminy ny heriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nampatoriny teo an-dohaliny izy ka niantso ilay lehilahy dia nampanàra ny foto-bolo fito amin’ny lohan’i Samsôna dia niantomboka tamin’izay ny namolahany azy, ary niala taminy ny heriny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampatorin’i Delilà teo am-pofoany i Samsôna ary niantso lehilahy iray izy hanety ireo randrana fito teo amin’ny volon-dohany. Dia nanomboka nihanalemy i Samsôna satria niala taminy tokoa ny heriny.
Malagasy Bible 1865
Ary ravehivavy nanondana an'i Samsona hatory teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin'ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nampatory an’i Samsona teo an-dohaliny Ravehivavy dia niantso lehilahy izay nanaratra ny randrana fito tamin’ny lohany; dia nanomboka nampietry azy izy satria niala taminy ny heriny.
malagasy
Ary ravehivavy nanondana an'i Samsona hatory teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin'ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.