Judges 16:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Ravehivavy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka niteny hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa NY TOMPO efa niala taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy izy: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Dia taitra tamin’ny torimasony izy, ka nanao hoe: «Ho afaka amin’izao toy ny taloha ihany aho, dia hitsoaka»; satria tsy fantany fa efa niala taminy i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nihiaka mafy i Delilà hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsôna ary nihevitra ny ho tafavoaka toy ny teo aloha, satria tsy fantany fa efa nanaisotra ny fanampiany azy ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Ravehivavy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka niteny hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa NY TOMPO efa niala taminy.
malagasy