Judges 16:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin’ny gadra varahina. Nanodina ny vato fikosoham-bary tao amin’ny trano famatorana no nataony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisambotra azy kosa ny Filistinina sy namotsotra ny masony, dia nampidina azy tany Gazà ary namatotra azy amin’ny gadra varahina roa mikambana. Nampihodina ny vato fitotoam-bary tao an-tranomaizina izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kinanjo nosamborin’ny Filistinina izy ary nopotsiriny ny masony. Dia nentiny nankany Gazà izy ary nafatony tamin’ny rojo halimo roa sosona sy notereny hitoto koba tao an-tranomaizina.
Malagasy Bible 1865
Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin'ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin'ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.