Judges 16:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nahita azy ny vahoaka dia nidera ny andriamaniny hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika izay nanapotika ny tanintsika, sady nahabe maty antsika!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahita azy ny vahoaka ka nidera ny andriamaniny izy ireo nanao hoe: «Efa natolotry ny andriamanitsika eo an-tanantsika ilay fahavalontsika izay nanimba ny tanintsika sy nahafaty be tamintsika.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony efa diboky ny hafaliana izy ireo, dia nitaky ny hampakana an’i Samsôna mba hanao fanalana hamohamo azy. Dia nalaina tany an-tranomaizina i Samsôna ka nanao fanalana hamohamo azy; avy eo dia natsangana teo anelanelan’ny andrin’ny tempoly izy. Ary rehefa nahita an’i Samsôna ny olona, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: –Efa natolotry ny andriamanitsika ho eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny firenentsika sy nandripaka olona maro tamintsika.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay nahabe maty antsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nahita azy ny vahoaka dia nidera ny andriamaniny hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika izay nanapotika ny tanintsika, sady nahabe maty antsika!
malagasy
Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay nahabe maty antsika.