Judges 16:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan’ny Filistina rehetra, ary teo an- tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo izay finaritra nijery an’i Samsona nanao kilalao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Feno lehilahy sy vehivavy ny trano, tao avokoa ireo filohan’ny Filistinina; tany ambonin’ny tafo koa nisy olona sahabo ho telo arivo, na lahy na vavy, izay nijery an’i Samsôna nandihy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tempoly anefa tamin’izay dia feno lehilahy sy vehivavy ary tao koa ny mpanjaka filistinina rehetra; ankoatra izany, teo an-tampontrano dia nisy olona tokony ho telo arivo, izay nijery an’i Samsôna nanao fanalana hamohamo.
Malagasy Bible 1865
Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan'ny Filistina rehetra, ary teo an-tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay finaritra nijery an'i Samsona nanao laolao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan’ny Filistina rehetra, ary teo an- tampon-trano* koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo izay finaritra nijery an’i Samsona nanao kilalao.
malagasy
Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan'ny Filistina rehetra, ary teo an-tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay finaritra nijery an'i Samsona nanao laolao.