Judges 16:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niantso NY TOMPO i Samsona hoe: TOMPO Andriamanitra ô, mifona aminao aho, tsarovy aho ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hanaovako indray mamaly ny Filistina noho ny masoko roa!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niantso an’i Iaveh i Samsôna nanao hoe: «Ry Iaveh Tompo ô, mihanta aminao aho, tsarovy re aho, ka omeo hery amin’ity indray mandeha ity monja, ry Andriamanitra ô, mba hamaliako ny Filistinina amin’ny indray mitoraka ihany, noho ny amin’ny masoko roa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa niantso ny TOMPO i Samsôna nanao hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba tsarovy aho! Ka omeo hery aho, Andriamanitra ô, na dia amin’izao indray mandeha izao ihany aza mba hamaliako faty indray maka monja ireo Filistinina noho ny amin’ny voamasoko roa.
Malagasy Bible 1865
Ary Samsona niantso an'i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin'ny masoko roa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niantso NY TOMPO i Samsona hoe: TOMPO Andriamanitra ô, mifona aminao aho, tsarovy aho ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hanaovako indray mamaly ny Filistina noho ny masoko roa!
malagasy