Judges 16:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitady hitsapa ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano izy, ny iray dia tamin’ny tanany havanana, ary ny iray dia tamin’ny tanany havia, ka niankina tamin’ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nobedain’i Samsôna ny andry roa afovoany nanohana ny trano, ka nitehika mafy taminy izy; ny tanany havanana tamin’ny anankiray ary ny tanany havia tamin’ny anankiray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia notsapatsapain’i Samsôna ireo andry roa afovoany izay nanohana ny tempoly; ka ny anankiray niankinan’ny tanany havanana, ary ny anankiray niankinan’ny tanany havia.
Malagasy Bible 1865
Dia notanan'i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin'ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin'ny tànany ankavia, ka niankina teo izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitady hitsapa ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano izy, ny iray dia tamin’ny tanany havanana, ary ny iray dia tamin’ny tanany havia, ka niankina tamin’ireo.
malagasy
Dia notanan'i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin'ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin'ny tànany ankavia, ka niankina teo izy.