Judges 16:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandry mandra-paha-mamatonalina i Samsona. Dia nifoha izy nony namatonalina ka noraisiny ireo lelam-baravarana teo amin’ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolàna roa, dia nongotany mbamin’ny hidiny ka nataony teny an-tsorony dia noentiny ho any an-tampon’ny tendrombohitra izay tandrifin’i Hebrona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandry i Samsôna mandra-pisasaky ny alina. Nony nisasaka ny alina dia nifoha izy, ka nalainy ny lela varavaran’ny tanàna mbamin’ny tolanany roa, nongotany mbamin’ny hidiny, dia nantsorohiny, nentiny nankany an-tampon’ny tendrombohitra mitodika an’i Hebrôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia natory tsara i Samsôna ambara-pisasaky ny alina. Fa nony nisasaka ny alina, dia nifoha izy; ka nobetainy ny lela-varavarana kopa-droan’ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolàna roa ary nongotany niaraka tamin’ny hidiny, dia nataony an-tsoroka ary nentiny ka napetrany teo an-tampon’ny tendrombohitra manoloana ny tanàna Hebrôna.
Malagasy Bible 1865
Ary nandry Samsona mandra-pamatonalina, dia nifoha izy nony namatonalina, ka noraisiny ny vavahadin'ny tanàna mbamin'ny tolana roa, dia nongotany izy mbamin'ny hidiny ka nataony teny antsorony, dia nentiny ho any an-tampon'ny tendrombohitra izay tandrifin'i Hebrona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandry mandra-paha-mamatonalina i Samsona. Dia nifoha izy nony namatonalina ka noraisiny ireo lelam-baravarana teo amin’ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolàna roa, dia nongotany mbamin’ny hidiny ka nataony teny an-tsorony dia noentiny ho any an-tampon’ny tendrombohitra izay tandrifin’i Hebrona.
malagasy