Judges 16:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Samsona: Aoka hiara-maty amin’ny Filistina aho. Dia nioitra mafy i Samsona ka nianjera tamin’ireo lehibe sy ny vahoaka rehetra teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin’ny nahafatesany dia be lavitra noho izay novonoiny tamin’ny andro niainany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Samsôna hoe: «Aoka hiara-maty amin’ny Filistinina aho!» sady niezaka mafy niondrika izy, ka nirodana tamin’ny andriana amam-bahoaka rehetra tao ny trano. Ary be no matiny tamin’ny nahafatesany noho ny novonoiny fony fahavelony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nihiaka i Samsôna hoe: –Aoka aho ho faty miaraka amin’ny Filistinina! Dia naronjiny mafy ny andry ka nianjeran’ny tempoly ireo mpanjaka sy izay rehetra tao. Koa betsaka lavitra ny olona matiny tamin’ny fahafatesany noho izay matiny tamin’ny androm-piainany.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin'ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin'ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin'ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin'ny andro niainany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Samsona: Aoka hiara-maty amin’ny Filistina aho. Dia nioitra mafy i Samsona ka nianjera tamin’ireo lehibe sy ny vahoaka rehetra teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin’ny nahafatesany dia be lavitra noho izay novonoiny tamin’ny andro niainany.
malagasy
Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin'ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin'ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin'ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin'ny andro niainany.Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.