Judges 16:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nidina ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy rehetra dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra ary nandevina azy teo anelanelan’i Zora sy i Estaola, tao amin’ny fasan’i Manoa rainy. Roapolo taona no nitsarany ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nidina ny rahalahiny mbamin’ny mpianakavin-drainy rehetra ka naka azy. Nony tafakatra izy ireo dia nandevina azy tao anelanelan’i Saraà sy i Estaola, amin’ny fasan’i Manôe rainy. Roapolo taona no nitsarany an’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nidina ireo rahalahin’i Samsôna sy ny fianakavian-drainy mba haka ny fatiny. Dia nentiny niakatra izy ka naleviny tao am-pasan’i Manôà rainy, teo anelanelan’i Tsôrehà sy i Estaôla. I Samsôna no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona.
Malagasy Bible 1865
Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nidina ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy rehetra dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra ary nandevina azy teo anelanelan’i Zora sy i Estaola, tao amin’ny fasan’i Manoa rainy. Roapolo taona no nitsarany ny Israely.
malagasy