Judges 16:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ireo andrianan’ny Filistina dia niakatra nankany amin-dRavehivavy ka niteny taminy hoe: Kolikoleo izy ka zahao izay itoeran’ny heriny lehibe sy izay hahafahanay mandresy azy ka hamatoranay azy ary hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekela zato sy arivo avy izahay rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka niakatra nankany aminy ireo filohan’ny Filistinina, nanao taminy hoe: «Tambatambazo izy, hahalalanao izay itoeran’ny heriny lehibe, sy hahazoanay mandresy azy, mba hamatoranay azy, sy hamolahanay azy, fa samy hanome anao vola zato amby arivo sikla avy izahay rehetra».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niakatra hankany amin’ilay vehivavy ireo mpanjaka filistinina ka nanao taminy hoe: –Langolangoy i Samsôna mba hampahalala anao izay iavian’ny heriny lehibe sy ny fomba hahazoanay mandresy azy, dia hafatotray izy ka hofolahinay. Ary samy hanome anao vola sekela 1 100 avy izahay.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra nankany amin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Kolikoleo izy, ka izahao izay itoeran'ny heriny lehibe sy izay hahazoanay mamatotra azy mba hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekely zato amby arivo avy izahay rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ireo andrianan’ny Filistina dia niakatra nankany amin-dRavehivavy ka niteny taminy hoe: Kolikoleo izy ka zahao izay itoeran’ny heriny lehibe sy izay hahafahanay mandresy azy ka hamatoranay azy ary hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekela zato sy arivo avy izahay rehetra.
malagasy