Judges 16:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany dia efa nisy lehilahy nanao vela-pandrika ka nitoetra tao amin-dRavehivavy tao an’efitranony. Dia hoy Ravehivavy tamin’i Samsona: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notapahiny tahaka ny fahatapahan’ny tady rongony izay efa maimbo afo ny tady. Kanefa tsy fantatra izay fiavian’ny heriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary efa nasiany olona nanotrika ao an’efitranony, dia hoy izy taminy hoe: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Notapahany anefa ny tady ka niraraka ompana hoatra ny kofehy hoton-drongony voan’afo. Dia tsy fantatra izay niafenan’ny heriny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy lehilahy efa nafenin-dravehivavy tao an’efitranony. Dia nikiaka tampoka i Delilà ka nanao hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia notapatapahin’i Samsôna ireo tady ka maito tahaka ny tady rongony main’ny afo; ary tsy fantatra izay tsiambaratelon’ny heriny.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy lehilahy nanotrika ka nitoetra taminy tao an'efi-trano. Dia hoy ravehivavy tamin'i Samsona: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notosany ny tady, tahaka ny fahamaiton'ny taretra rongony, raha lelafin'ny afo. Dia tsy fantatra ny heriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany dia efa nisy lehilahy nanao vela-pandrika ka nitoetra tao amin-dRavehivavy tao an’efitranony. Dia hoy Ravehivavy tamin’i Samsona: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notapahiny tahaka ny fahatapahan’ny tady rongony izay efa maimbo afo ny tady. Kanefa tsy fantatra izay fiavian’ny heriny.
malagasy