Judges 17:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy tamin’ny reniny: Ilay volafotsy zato sy arivo sekela nisy naka taminao, izay nasianao ozona, sady nolazainao teo anatrehako izany, indro, ato amiko ny volafotsy; izaho no naka azy. Dia hoy reniny: Hotahìn’NY TOMPO anie ny zanako!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nilaza tamin-dreniny hoe: «Ilay vola zato amby arivo sikla izay nalain’olona taminao sy nanononanao ozona, ary ren’ny sofiko aza ny nanononanao izany, dia indro eto an-tanako izany vola izany, izaho no naka.» Ary hoy ireniny: «Hotahin’i Iaveh anie ny zanako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia hoy izy tamin’ny reniny: –Tsaroanao moa fony nisy naka ny volanao sekela volafotsy 1 100, ka nanaovanao ozona izay reko tokoa ny nanononanao azy? Ao amiko io vola io, ary izaho ihany no naka azy. Dia hoy ny reniny taminy: – Hotahin ’ny TOMPO anie ianao, anaka!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamin'ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nolazainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin'i Jehovah anie ny zanako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy tamin’ny reniny: Ilay volafotsy zato sy arivo sekela nisy naka taminao, izay nasianao ozona, sady nolazainao teo anatrehako izany, indro, ato amiko ny volafotsy; izaho no naka azy. Dia hoy reniny: Hotahìn’NY TOMPO anie ny zanako!
malagasy