Judges 17:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa naveriny tamin’ny reniny ny volafotsy zato sy arivo sekela dia hoy reniny: Atokako ho an’NY TOMPO tanteraka ity vola avy amin’ny tanako ity ka atolotro ho an’ny zanako hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra voarendrika, ary ankehitriny dia averiko aminao izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naveriny tamin-dreniny ilay vola zato amby arivo sikla, dia hoy ireniny: «Ny tanako no manolotra izany vola izany amin’i Iaveh, mba ho an’ny zanako, hanaovana sarin-javatra voasikotra sy zavatra anidina; koa ankehitriny averiko aminao izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia naverin’i Mikà tamin’ny reniny ny vola sekela 1 100; fa hoy kosa ny reniny taminy: –Efa natokako mihitsy ho an’ny TOMPO ireo vola ireo ka hankinina aminao, anaka, mba hanamboarana sampy atao sarivongana metaly narendrika. Indro àry averiko aminao izy izao.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa naveriny tamin'ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an'i Jehovah mihitsy ity vola avy amin'ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa naveriny tamin’ny reniny ny volafotsy zato sy arivo sekela dia hoy reniny: Atokako ho an’NY TOMPO tanteraka ity vola avy amin’ny tanako ity ka atolotro ho an’ny zanako hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra voarendrika, ary ankehitriny dia averiko aminao izy.
malagasy
Ary rehefa naveriny tamin'ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an'i Jehovah mihitsy ity vola avy amin'ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.[Na: Efa natokako]