Judges 17:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa naveriny tamin’ny reniny ary ny volafotsy dia naka volafotsy roanjato sekela ny reniny ka nomeny ny mpanefy volafotsy izany mba hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra voarendrika. Dia natao tao an-tranon’i Mika izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa voaveriny tamin-dreniny ny vola, dia nangalan-dreniny roan-jato sikla, nomeny ny mpanao anidina, ka nanaovany sarin-javatra voasikotra sy zavatra anidina, ary natao tao an-tranon’i Mikasy ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo naverin’i Mikà tamin’ny reniny indray ireo. Ary nakan-dreniny sekela roanjato izany, ka nomeny ny mpandrendrika. Dia nanamboatra sampy atao sarivongana metaly narendrika io; ary napetraka tao an-tranon’i Mikà izany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao an-tranon'i Mika izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa naveriny tamin’ny reniny ary ny volafotsy dia naka volafotsy roanjato sekela ny reniny ka nomeny ny mpanefy volafotsy izany mba hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra voarendrika. Dia natao tao an-tranon’i Mika izany.
malagasy