Judges 17:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga nanana tranon’Andriamanitra ary izany lehilahy natao hoe Mika izany; nanamboatra efoda sy terafima izy ary ny zanany lahy iray no natokany ho mpisorony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nanana tranon’Andriamanitra io Mikasy io. Nanao efôda sy terafima izy, ary ny anankiray tamin’ny zanany lahy dia natokany nataony mpisorony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ity lehilahy atao hoe Mikà ity dia nanana toeram-pivavahana iray sady efa nampamboatra koa efôda mbamin’ny terafima; ary ny zanany lahy anankiray no natokany ho mpisorona.
Malagasy Bible 1865
Ary nanana tranon'andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga nanana tranon’Andriamanitra ary izany lehilahy natao hoe Mika izany; nanamboatra efoda* sy terafima* izy ary ny zanany lahy iray no natokany ho mpisorony.
malagasy
Ary nanana tranon'andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony.[Heb. nofenoiny ny tànany]