Judges 17:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niala tao amin’ny tanàna Betleheman’i Joda Ralehilahy mba hivahiny any amin’izay azony hitoerana; nony nandeha izy dia tonga tany amin’ny tany be havoana any Efraima tao amin’ny tranon’i Mika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niala tao Betlehema any Jodà ralehilahy io, hahitany toerana hipetrahana, ka izany no nahatongavany tany amin’ny tendrombohitra Efraima sy tao an-tranon’i Mikasy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niala tao Betlehema izy mba hivahiny any amin’izay azony hitoerana. Raha mbola nandeha izy, dia tonga tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma ka tafapaka teo amin’ny tranon’i Mikà.
Malagasy Bible 1865
Ary ralehilahy niala tao an-tanàna Betlehema-joda hivahiny any amin'izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niala tao amin’ny tanàna Betleheman’i Joda Ralehilahy mba hivahiny any amin’izay azony hitoerana; nony nandeha izy dia tonga tany amin’ny tany be havoana any Efraima tao amin’ny tranon’i Mika.
malagasy
Ary ralehilahy niala tao an-tanàna Betlehema-joda hivahiny any amin'izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika.