Judges 18:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely; tamin’izany andro izany koa dia nitady lova mba honenany ny fokon’i Dana, satria hatramin’izany andro izany dia tsy mbola nisy lova voatondro ho azy teo amin’ireo fokon’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nisy mpanjaka tao amin’i Israely tamin’izany andro izany; ary nitady zara tany honenany ny fokon’ny Danita, tamin’izany andro izany, fa tsy mbola nahazo anjara lova hatramin’izany andro izany izy eo afovoan’ny fokon’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy mpanjaka tany Israely. Ary ny fokon’i Dana tamin’izay dia nitady faritany honenany, satria tsy mbola nahazo anjara tahaka ireo foko israelita hafa izy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely; ary tamin'izany andro izany kosa ny firenen'i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin'izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin'ny firenen'Isiraely izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely; tamin’izany andro izany koa dia nitady lova mba honenany ny fokon’i Dana, satria hatramin’izany andro izany dia tsy mbola nisy lova voatondro ho azy teo amin’ireo fokon’ny Israely.
malagasy
[Ny nandehandehanan'ny firenen'i Dana nizaha tany hitoerany] Ary tamin'izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely; ary tamin'izany andro izany kosa ny firenen'i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin'izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin'ny firenen'Isiraely izy.