Judges 18:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy dimy lahy izay nandeha hisafo ny tany Laisy, tamin’ireo rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin’ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra ary sarin-javatra voarendrika? Koa hevero izay hataonareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay izy dimy lahy izay efa nandeha nisafo ny tanin’i Laïsa teo, dia niteny tamin’ireo rahalahiny, ka nanao hoe: «Fantatrareo va fa misy efôda sy tarafima ary sarin-javatra voasokitra aman-javatra anidina, amin’ireto trano ireto? Koa hevero izao izay tokony hataonareo».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy izy dimy lahy izay nisafo ny faritanin’i Laîsy tamin’ny namany: –Fantatrareo ve fa ny iray amin’ireo trano ireo dia misy efôda sy terafima ary sampy vita sarivongana metaly narendrika? Ankehitriny hevero izay tokony hataonareo.
Malagasy Bible 1865
Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin'ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin'ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra anidina? koa hevero izay hataonareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy dimy lahy izay nandeha hisafo ny tany Laisy, tamin’ireo rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin’ireto trano ireto misy efoda* sy terafima* ary sarin-javatra voasokitra ary sarin-javatra voarendrika? Koa hevero izay hataonareo.
malagasy
Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin'ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin'ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra anidina? koa hevero izay hataonareo.