Judges 18:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niakatra izy dimy lahy izay nandeha hisafo ny tany ka niditra ary naka ny sarin-javatra voasokitra, ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voarendrika; tamin’izany ilay mpisorona dia nijoro teo anoloan’ny vavahady, niaraka tamin’ny eninjato lahy efa voaomana tamin’ny fiadiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mbola nijanona teo anoloan’ny vavahady ilay mpisorona mbamin’ireo enin-jato lahy vonom-piadiana, izy dimy lahy nisafo ny tany kosa niakatra dia niditra tao an-trano fivavahana, naka ny sarin-javatra voasikotra, ny efôda, ny terafima ary ny zavatra anidina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niakatra izy dimy lahy nisafo ny faritr’i Laîsy ka nitsofoka tao an-trano ary naka ny sampy mbamin’ny efôda sy ny terafima ary ny sarivongana metaly narendrika. Ny mpisorona tamin’izay dia teo am-bavahadin’ny trano niaraka tamin’izy eninjato lahy nirongo fiadiana;
Malagasy Bible 1865
Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin'ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany nijanona teo anoloan'ny vavahady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niakatra izy dimy lahy izay nandeha hisafo ny tany ka niditra ary naka ny sarin-javatra voasokitra, ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voarendrika; tamin’izany ilay mpisorona dia nijoro teo anoloan’ny vavahady, niaraka tamin’ny eninjato lahy efa voaomana tamin’ny fiadiany.
malagasy