Judges 18:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ireo taminy: Mangìna ianao, tampeno amin’ny tananao ny vavanao ka andeha hiaraka aminay dia ho rainay sy ho mpisoronay ianao. Moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ny olona iray trano monja noho ny ho mpisorona ho an’ny foko sy fianakaviana iray amin’ny Israely?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny navaliny azy: «Mangina ianao, tampeno amin’ny tananao ny vavanao, ary handeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy ho mpisoronay ianao: Aleonao va mpisoron’ny ankohonan’ny olona iray ihany toy izay mpisoron’ny foko iray sy fianakaviana iray amin’i Israely?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Mangina ianao, ary tampeno ny vava! Andeha hiaraka aminay, dia ho mpisoron’ny fokonay ianao. Sa inona no tianao kokoa? Ho mpisorona amin’ny ankohonan’olon-tokana ve sa ho mpisorona amina tarika na foko israelita iray manontolo?
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ireo taminy: Mangina ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an'ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin'ny firenena iray sy ny foko iray amin'ny Isiraely?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ireo taminy: Mangìna ianao, tampeno amin’ny tananao ny vavanao ka andeha hiaraka aminay dia ho rainay sy ho mpisoronay ianao. Moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ny olona iray trano monja noho ny ho mpisorona ho an’ny foko sy fianakaviana iray amin’ny Israely?
malagasy