Judges 18:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naniraka dimy lahy izay nofantenany avy tamin’ny fianakaviany ny Danita, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hanadihady ny momba azy. Hoy izy ireo taminy: Mandehana, zahao ny toetry ny tany. Dia tonga tany amin’ny tany be havoana any Efraima tao an-tranon’i Mika izy ireo ka nandry tao mandritra ny alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalain’ny zanak’i Dana tao amin’izy rehetra ireo ny dimy lahy, lehilahy mahery iray fianakaviana aminy, ka nalefany avy any Saraà sy Estaola hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany. Ka hoy izy tamin’izy ireo: «Mandehana zahao ny toetry ny tany». Dia tonga tany amin’ny tendrombohitra Efraima izy sy tao amin’ny tranon’i Mikasy, ka nandry tao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nifidy lehilahy dimy mahery fo indrindra tao amin’ny fokony izy ary naniraka azy mba hijery tsara ny tany manomboka hatreo Tsôrehà ka hatrany Estaôla. Tonga hatrany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma izy ireo ary tafapaka teo akaikin’ny tranon’i Mikà ary nandry teo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny taranak'i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin'ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika izy, dia nandry tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naniraka dimy lahy izay nofantenany avy tamin’ny fianakaviany ny Danita, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hanadihady ny momba azy. Hoy izy ireo taminy: Mandehana, zahao ny toetry ny tany. Dia tonga tany amin’ny tany be havoana any Efraima tao an-tranon’i Mika izy ireo ka nandry tao mandritra ny alina.
malagasy