Judges 18:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nalain’izy ireo ary ny zavatra nataon’i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy. Notafihany i Laisy, izay olona mandry fehizay sady tsy manana ahiahy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra; ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany no nangalan’izy ireo izay nataon’i Mikasy mbamin’ny mpisorona niasa ho azy, dia nandroso namely ny tao Laïsa, izay vahoaka nandry feizay sy tsy nanana ahiahy, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, ary ny tanàna nodorany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalain’ireo Danita ny sampy nataon’i Mikà sy ny mpisorony, dia lasa izy nanafika an’i Laîsy; ka naringany tamin-tsabatra ny mponina tao izay nandry feizay tsy nanana ahiahy, ary nodorany ny tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon'i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin'ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin'ny afo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nalain’izy ireo ary ny zavatra nataon’i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy. Notafihany i Laisy, izay olona mandry fehizay sady tsy manana ahiahy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra; ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna.
malagasy