Judges 18:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nisy namonjy izy, satria lavitra an’i Sidona izany tanàna izany ary tsy nifandray tamin’olona akory, sady tao amin’ny lohasaha izay miitatra mankany Bety-Rehoba no nisy azy. Dia nanorina indray ny tanàna izy ireo ka nonina tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nisy olon-kamonjy azy, fa lavitra an’i Sidona izy, ary ny mponina tao tsy nanan-draharaha tamin’ny olon-kafa; tao amin’ny lohasaha mandroso mankany Bety-Rohôna no nisy azy. Naorin’ny taranak’i Dana ny tanàna, dia nonina teo izy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Laîsy dia tao amin’ny lohasahan’i Bety-Rehôba, ka lavitra an’i Tsidôna ary tsy niankina tamin’i Arama. Noho izany tsy nisy olona tonga namonjy azy. Dia namboarin’ny Danita ny tanàna, ka nonenany.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an'i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin'olona akory izy, sady teo amin'ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tanàna izy ireo ka nonina tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nisy namonjy izy, satria lavitra an’i Sidona izany tanàna izany ary tsy nifandray tamin’olona akory, sady tao amin’ny lohasaha izay miitatra mankany Bety-Rehoba no nisy azy. Dia nanorina indray ny tanàna izy ireo ka nonina tao.
malagasy