Judges 18:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa satria teo akaikin’ny tranon’i Mika no nisy azy dia fantany ny feon’ilay zatovo levita. Dia nivily tao izy ireo ka niteny taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? Maninona atỳ ianao? Ary inona no fanananao atỳ?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony mby teo akaikin’ny tranon’i Mikasy izy ireo, dia fantany ny feon’ilay tovolahy Levita dia nanatona izy ka nanao tamin’io hoe: «Iza no nitondra anao nankatỳ? Maninona atỳ ianao? Manana inona atỳ ianao»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fony izy dimy lahy teo akaikin’ny tranon’i Mikà, dia nandre ilay zatovo levita ka nahafantatra ny fomba fiteniny ary nanatona azy ka nanontany hoe: –Iza no nitondra anao amin’itony toerana itony ary inona no ataonao atỳ? Inona no mitazona anao atỳ?
Malagasy Bible 1865
Rehefa mby teo akaikin'ny tranon'i Mika izy, dia fantany ny feon'ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? ary maninona atỳ ianao? ary inona no anananao atỳ?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa satria teo akaikin’ny tranon’i Mika no nisy azy dia fantany ny feon’ilay zatovo levita*. Dia nivily tao izy ireo ka niteny taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? Maninona atỳ ianao? Ary inona no fanananao atỳ?
malagasy
Rehefa mby teo akaikin'ny tranon'i Mika izy, dia fantany ny feon'ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? ary maninona atỳ ianao? ary inona no anananao atỳ?