Judges 18:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia natsangan’ny taranak’i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary i Jonatana, zanak’i Gersoma, zanak’i Mosesy, sy ireo zanany lahy, no mpisorona ho an’ny fokon’i Dana hatramin’ny fotoanan’ny fahababoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natsangan’ny taranak’i Dana ho azy ireo ilay sarin-javatra voasikotra; ary i Jonatàna, zanak’i Gersama zanak’i Môizy, dia izy sy ny zanany no mpisoron’ny fokon’i Dana mandra-pahatongan’ny andro namaboana ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary natsangan’ireo ilay sampy nataon’i Mikà; ka i Jônatàna zanakalahin’i Gersôma sady zafikelin’i Mosesy no nanjary mpisoron’ny foko danita. Ny taranak’i Jônatàna no nitana io andraikitra io ambara-pahatonga ny andro famaboana izany tany izany.
Malagasy Bible 1865
Dia natsangan'ny taranak'i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an'ny firenen'i Dana hatramin'ny andro namaboana ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia natsangan’ny taranak’i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary i Jonatana, zanak’i Gersoma, zanak’i Mosesy, sy ireo zanany lahy, no mpisorona ho an’ny fokon’i Dana hatramin’ny fotoanan’ny fahababoana.
malagasy
Dia natsangan'ny taranak'i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an'ny firenen'i Dana hatramin'ny andro namaboana ny tany.[Na: Manase]Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon'i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan'ny tranon'Andriamanitra tao Silo.