Judges 18:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy. Hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy araka ny fomban’ny Sidoniana, nandry fehizay sady tsy nanana ahiahy; tsy nisy mpandroba natahorana teo amin’ny tany; ary lavitra ny Sidoniana izy ireo sady tsy nanana fifandraisana tamin’olon-kafa akory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandeha izy dimy lahy, ka tonga tany Laïsa dia hitan’izy ireo ny mponina tao amin’izany tanàna izany fa nonina tsy amin’ahiahy, manaraka ny fomban’ny Sidonianina, nandry fahizay tamim-piadanana, ary tsy nisy olona tamin’ny taniny nanam-pahefana nampahory azy, na tamin’inona na tamin’inona; lavitra ny Sidonianina izy, ary tsy nanan-draharaha na tamin’iza na tamin’iza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nanohy ny diany izy dimy lahy ary tonga tany Laîsy. Hitany fa nilamina ny mponina tao, ka nandry feizay sy tsy manana ahiahy tahaka ny Tsidônianina. Tsy nanana hokianina amin’izay mpitondra azy ny olona. Fa niaina lavitra ny Tsidônianina ireo olona ireo ary tsy niankina tamin’i Arama.
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon'ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin'ny tany na amin'inona na amin'inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin'olona akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy. Hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy araka ny fomban’ny Sidoniana, nandry fehizay sady tsy nanana ahiahy; tsy nisy mpandroba natahorana teo amin’ny tany; ary lavitra ny Sidoniana izy ireo sady tsy nanana fifandraisana tamin’olon-kafa akory.
malagasy
Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon'ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin'ny tany na amin'inona na amin'inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin'olona akory.[Na: hahamena-maso]