Judges 18:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ireo: Mitsangàna ka aoka isika hiakatra hamely azy. Efa nahita ny tany izahay fa indro, tena tany tsara. Kanefa ianareo tsy misy miteny! Aza malain-kandeha hiditra handray ny tany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny navaliny: «Mitsangàna, miakara isika hamely an’ireny, fa efa hitanay ny tany, ka indro fa tany soa indrindra, ka no mipetraka eo foana tsy miteny tsy mivolana ianareo? Aza milasilasy amin’ny fandehanana haka izany tany izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no nambarany: –Ndeha isika hanafika ny olona ao Laîsy. Araka ny hitanay manko dia tsara mihitsy ny faritany. Koa aza mijanonjanona eto foana ianareo fa andao haingana haka io faritany io isika.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy: Mitsangàna, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza malain-kandeha hiditra handova ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ireo: Mitsangàna ka aoka isika hiakatra hamely azy. Efa nahita ny tany izahay fa indro, tena tany tsara. Kanefa ianareo tsy misy miteny! Aza malain-kandeha hiditra handray ny tany!
malagasy