Judges 19:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany, fony tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely, dia nisy levita iray nivahiny tany an-tsisin’ny tany be havoana any Efraima ka naka vady tsindrano avy any Betleheman’i Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany raha mbola tsy nisy mpanjaka tao amin’i Israely, ny Levita anankiray nitoetoetra tany an-tsisin-tendrombohitr’i Efraima dia naka ho vady vehivavy anankiray avy any Betlehema any Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro mbola tsy nisian’ny mpanjaka tany Israely izany, dia nisy levita iray nivahiny tany amin’ny toerana mihataka, an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Naka vadikely iray tao Betlehema any Joda izy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany, fony tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely, dia nisy levita* iray nivahiny tany an-tsisin’ny tany be havoana any Efraima ka naka vady tsindrano avy any Betleheman’i Joda.
malagasy
[Ny ratsy nataon'ny mponina tao Gibea, sy ny namalian'ny Isiraely rehetra azy] Ary tamin'izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.