Judges 19:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nety nijanona handany ny alina intsony anefa Ralehilahy fa niainga izy ka nandeha dia tonga tandrifin’i Jebosa na Jerosalema, niaraka tamin’ny boriky roa samy voaisy lasely ary koa ny vady tsindranony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nety handry intsony anefa ralehilahy fa nitsangana izy, ka dia lasa. Tonga hatrany an-tandrifin’i Jebosy izy, dia Jerosalema izany, ary niaraka taminy ny ampondra roa samy voaisy lasely sy ny vady tsindranony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy tsy nanaiky hijanona intsony ralehilahy fa niainga ihany; ary nandeha niaraka taminy ny vadikeliny sy ireo boriky roa efa nisy lasely. Dia tonga teo amin’ny tandrifin’i Jebosa na hoe i Jerosalema izy.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin'izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin'i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nety nijanona handany ny alina intsony anefa Ralehilahy fa niainga izy ka nandeha dia tonga tandrifin’i Jebosa na Jerosalema, niaraka tamin’ny boriky roa samy voaisy lasely ary koa ny vady tsindranony.
malagasy