Judges 19:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga teo akaikin’i Jebosa izy ireo ka efa ho hariva ny andro dia hoy ny zatovo tamin’ny tompony: Andeha hiakatra ato amin’ity tanànan’ny Jebosita ity isika ka handry ao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa hariva ny andro no tonga tao akaikin’i Jerosalema izy ireo; ka hoy ilay mpanompony tamin’ity tompolahiny: «Raha sitrakao, handeha isika hivily ho amin’ity tanànan’ny Jeboseanina ity, dia handry eo».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary efa hariva be ny andro no tonga teo akaikin’ny tanàna izy, ka hoy ilay zatovony tamin’ny tompony: –Andeha isika hiakatra amin’ity tanànan’ny Jebosita ity ka handry ao anio alina.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa mby teo akaiky an'i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin'ny tompony: Andeha hiakatra ato amin'ity tanànan'ny Jebosita ity isika ka handry ato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga teo akaikin’i Jebosa izy ireo ka efa ho hariva ny andro dia hoy ny zatovo tamin’ny tompony: Andeha hiakatra ato amin’ity tanànan’ny Jebosita ity isika ka handry ao.
malagasy
Ary rehefa mby teo akaiky an'i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin'ny tompony: Andeha hiakatra ato amin'ity tanànan'ny Jebosita ity isika ka handry ato.