Judges 19:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, nisy lahiantitra iray avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin’ny tany be havoana any Efraima koa izy io, saingy vahiny nitoetra tany Gibea; fa ny mponina tao amin’izany tanàna izany dia ny Benjamina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo kosa, inty nisy anti-dahy anankiray nody hariva avy niasa tany an-tsaha; lehilahy avy amin’ny tendrombohitra Efraima izy fa nitoetra tao Gabaà, ary ny mponina ao amin’io fitoerana io dia Benjaminita.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kinanjo intỳ nisy lahiantitra iray tonga avy any an-tsaha niditra ny tanàna, iny hariva iny. Olona avy amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma izy, saingy nipetraka tao Gibehà tanàna fonenan’ny Benjaminita.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin'ny tany havoan'i Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea, fa ny mponina tao amin'izany tanana izany dia Benjamita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, nisy lahiantitra iray avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin’ny tany be havoana any Efraima koa izy io, saingy vahiny nitoetra tany Gibea; fa ny mponina tao amin’izany tanàna izany dia ny Benjamina.
malagasy