Judges 19:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy taminy: Avy tany Betleheman’i Joda izahay ka hankany an-tsisin’ny tany be havoana any Efraima, fa any no tany niaviako. Tany Betleheman’i Joda aho. Mpankany amin’ny tranon’NY TOMPO aho nefa tsy misy olona mampiantrano ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny navaliny azy: «Avy any Betlehema any Jodà izahay, ka ho any amin’ny sisin’ny tendrombohitr’i Efraima izay tany niaviako. Tany Betlehema any Jodà aho, ary ho any an-tranon’i Iaveh, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’ilay levita hoe: –Avy tany Betlehema any Joda izahay ary hamonjy toerana iray mihataka an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, fa any no fiaviako; ka hody any amiko aho, rehefa avy nivahiny tany Betlehema. Ary tsy misy olona mampiantrano ahy;
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon'i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy taminy: Avy tany Betleheman’i Joda izahay ka hankany an-tsisin’ny tany be havoana any Efraima, fa any no tany niaviako. Tany Betleheman’i Joda aho. Mpankany amin’ny tranon’NY TOMPO aho nefa tsy misy olona mampiantrano ahy.
malagasy
Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon'i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;[Na: mankany]