Judges 19:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mbola nampifaly ny fony izy dia indreo, nisy lehilahy tao an-tanàna, izay lehilahy tena ratsy fanahy, tonga nanodidina ny trano ka nandondòna mafy teo am-baravarana ary niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao mba hahalalanay azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dieny mbola nifaly teo ny fon’izy ireo, dia indreo nisy lehilahy tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, nanodidina ny trano, nandondòna mafy ny varavarana, sady nilaza tamin’ilay anti-dahy tompon-trano nanao hoe: «Asaovy mivoaka ilay lehilahy niditra ato aminao, mba hahalalanay azy».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha mbola nampifaly fo teo am-pihinana izy, dia nisy lehilahy faikan’olona tao an-tanàna nanodidina ny trano sy nandondòna mafy tao am-baravarana ary niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: –Avoahy iny lehilahy nampiantranoinao ato aminao iny mba hanaovanay firaisana.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin'ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mbola nampifaly ny fony izy dia indreo, nisy lehilahy tao an-tanàna, izay lehilahy tena ratsy fanahy, tonga nanodidina ny trano ka nandondòna mafy teo am-baravarana ary niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao mba hahalalanay azy.
malagasy