Judges 19:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nety nihaino azy anefa ireo lehilahy ireo ka nalain-dRalehilahy ilay vady tsindranony ka navoakany ho eo amin’ireo teo alatrano. Dia nandry taminy sy nanao ditra taminy ireo mandritra ny alina mandra-paharain’ny andro. Rehefa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nety nihaino azy akory anefa ireo lehilahy ireo. Tamin’izay dia nalain-dralehilahy ny vady tsindranony, nentiny nivoaka tany amin’izy ireo. Nahalala azy izy ireo sy nanao an-keriny taminy mandritra ny alina, mandra-paharainan’ny andro; ary nony efa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nety nihaino anefa ireo faikan’olona ireo, koa navoakan’ilay levita hankao ivelany ny vadikeliny. Ary ireo dia nanolana an-dravehivavy ka nanaram-po taminy nandritra ny alina manontolo, ary tsy namela azy raha tsy efa nangiran-dratsy ny andro.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain'ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nety nihaino azy anefa ireo lehilahy ireo ka nalain-dRalehilahy ilay vady tsindranony ka navoakany ho eo amin’ireo teo alatrano. Dia nandry taminy sy nanao ditra taminy ireo mandritra ny alina mandra-paharain’ny andro. Rehefa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy.
malagasy