Judges 19:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifoha maraina Ralehilahy ka namoha ny varavaran’ny trano, dia nivoaka handeha tamin’ny lalan-kalehany. Kanjo indro, Ravehivavy vady tsindranony miampatra eo am-baravaran’ny trano ary eo amin’ny tokonana ny tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony maraina dia nifoha ny lahy, dia namoha ny varavarana ary nivoaka ndeha hanohy ny diany. Ary inty ravehivavy, ny vady tsindranony, nivalandòtra teo am-baravaran’ny trano, ary teo amin’ny tokonana ny tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony maraina, dia nitsangana ny lahy ka namoha ny varavarana ary nivoaka ny trano mba hanohy ny diany; kanjo indro ny vavy efa miampatra eo am-baravarana ary mamikitra eo amin’ny tokonana.
Malagasy Bible 1865
Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran'ny trano, dia nivoaka handeha tamin'ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran'ny trano, ary ny tanany eo amin'ny tokonana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifoha maraina Ralehilahy ka namoha ny varavaran’ny trano, dia nivoaka handeha tamin’ny lalan-kalehany. Kanjo indro, Ravehivavy vady tsindranony miampatra eo am-baravaran’ny trano ary eo amin’ny tokonana ny tanany.
malagasy